<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Nohariana mba ho tsara ny tontolo FFPM822</title>
<lyrics>[V1]
 Nohariana mba ho tsara ny tontolo
 Ka ho sambatra, ho mendrika ny Ray
 Nihasimba, simban'ota dia nisolo
 Fanjakan'ny haratsiana mahamay,
 Nisy anefa Tompo izay nampanantena
 Mba hamerina ny soa 'zay efa very
 Kristy fiainana mizara famonjena,
 Tokana no azo antok'Izy irery.

[V2]
 Noharina mba ho iray isika mpino
 Ka hanompo Tompo tokana Tsitoha
 Ndrisy anefa, fa mikipy manadino
 Fa matory am-pisarahana tsy mifoha
 Nisy anefa, mbola misy Tompo iray
 Azo toky fa hamory ny mania
 Kristy fiainana, hanangona indray
 Ny Fiangonany hiray raha toa minia

[V3]
 Tsia, tsy nisy nohariana mba hijaly
 Tsia, tsy nisy voatokana ho faly
 Tsy hi-fandrafy sy hiady sanatria
 No namoronana ny olona, ô, tsia!
 Fa ireny vokatry ny kihotana
 Ka mamikitra, tapisaka, lovàna
 'Reo rehetr'ireo ho levona sy foana
 Raha Kristy Fiainana no ho Tomponao.</lyrics>
<hymn_number>822</hymn_number>
</song>